26.2.07

Nandiso fanantenana

Niandry izay fanapahan-kevitra momba ny fitsapa-kevi-bahoaka tany amin’ny filankevitry ny minisitra tany Antsiranana ny mpanara-baovao politika. Nihevitra aho fa ao no hivoaka ny fanapahan-kevitra momba io zavatra iray io. Indrisy, resaka MAP ihany no namoriana ny praiminisitra sy ny minisitra rehetra tany amin’ny renivohitry ny farany avaratry Madagasikara io. Tsy nisy resaka mihitsy ny zavatra hafa raha ny tatitra navoakan’ny RNM tamin’ny vaovao atoandro teo no nohenoina. Asa mety ho nisy ihany angamba fa miandry ny tatitra famoaka an-gazety mihitsy vao fantatra ny votoatin-dresaka.

Raha fehezina izany dia karazany nomena fitsangatsanganana anaty rivo-doza (Gamede) ihany ny mpikambana ao amin’ny governemanta rehetra miaraka amin’ny fianakavian’ny filoha amperinasa. Heverina hotetezina avokoa indray manko ny faritra 22 misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Izany hoe taorian’ny nitetezan’ny tompon’andraikitra maro ny faritra tamin’ny alalan’ny MAP dia ny fitambarana’ny mpitondra ambony mihitsy no mety hitsangatsangana manerana an’i Madagasikara. Tsy dia misy maharatsy izany fa tsy tokony ho saronana anatin’ny filazana fanaovana filankevitra ny raharaha. Tsy misy fahasahiana tampoka rehefa mandre ny fanoheran’ny fivondronamben’ny eveka ny fiheverana fa karazana fanararaotana ihany no ataon’ny mpitondra ambadiky ny atao hoe fitsapa-kevi-bahoaka ary nolazainy mivantana fa saritsarin-demokrasia aloha no hita eto Madagasikara.

Aucun commentaire: