17.2.07

Miova miharatsy

Mitohy hatramin’ny faran’ity herinandro ity moa ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia. Ny sehatry ny ny sakafo sy ny fandraisam-bahiny, ny tolotra na fanomezana ary ny tontolon’ny fampisehoana no tena mahazo vahana amin’ity karazam-pety ity. Ny nalaza indrindra moa tamin’ity indray mitoraka ity dia ny fampisehoana nataon’i Bodo sy Poopy tao amin’ny lapan’ny fanantanjahantena sy ny kolontsaina tao Mahamasina halina (Zoma 16 febroary 2007). Na dia ny lazan’ny mpanakanto fotsiny aza dia efa ampy nahalany « sahady » ny tapakila andro vitsy mialoha ny fampisehoana.

Androany kosa vao mitaraina ny maro nanatrika io fampisehoana io. Nahitana risoriso mivantana manko tao amin’ny fivarotana ny tapakila tao. Manararaotra noho ny fankafizan’Antananarivo hiram-pitiavana milantolanto sy ny lazan’ny artista ny sasany ao anatin’izany fotoana izany. Heno manko fa Ar10.000 ny vidim-pidirana ara-dalàna tamin’io fampisehoana io. Ao amin’ny tranombarotra nivarotana ny tapakila anefa dia tsy menatra ny mpivarotra nampakatra azy ho Ar12.000 tsotra izao. Io dia efa fahasahiana miharihary mendrika fitoriana kolikoly mivantana. Dia nahasahy nivody ihany ny olona. Rehefa tonga ny fotoana, ireo nihanahana tsy nividy karatra mialoha dia gaga rehefa lasa Ar15.000 indray ny vidiny teny Mahamasina. Lazaiko kosa fa karazany varotra amin’ny sisiny kosa io. Fa rehefa velona kosa ny hira voalohany sy ny horaky ny mpijery tao anatiny dia tafakatra Ar20.000 tsy midina intsony ilay vidim-pidirana teo.

Midika izany fa mitady hiroboka amin’ny fanaovana varotra antsisiny indray ny olona rehefa fantany fa be ny hanatrika fampisehoana na lalao iray. Iny moa tsy dia mampaninona loatra satria ataoko fa fahita eran-tany ihany fa ny tsy laitra dia ny tao amin’ilay tranombarotra nanankinana ny fivarotana ny karatra tsy menatra akory ny mampakatra tsotra izao ny saram-pidirana. Mendrika ny toriana izao toe-javatra izao fa tsy avela ho verivery amin’izao fotsiny.

Aucun commentaire: