28.2.07

Mbola miandry foana

Ninia aho ny miandry mandrakariva ny vokatrny ny filankevitry ny minisitra izay efa nambarako omaly. Eny, toa voamarina tokoa fa nisy ilay filan-kevitry ny minisitra. Dia re tsara ihany koa fa hay soso-kevitr’olona ilay hanafoanana ny praiministra fa tsy noraisina kosa. Androany io vao azoko tsara. Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra ary ny volavolan-dalàna haroso hitsapana ny hevitry ny vahoaka. Saingy…

Hatramin’izao dia tsy fantatra marina izay votoatiny. Ny fanontaniana amin’ny vahoaka ihany no efa tapaka rehefa tena jerena ny zava-misy hatramin’izao. « Ekenao ve ity volavolam-panitsiana ny lalam-panorenana ity ? ». Dia valiana « Eny » na « Tsia ». Fa inona ilay volavolan-dalàna ? volavola A sa volavola B ? na ny vaovaon’ny mbs amin’ny 6 ora sy sasany hariva aza mbola tsy nahenoana na inona na inona.

Raha dinihina avy amin’ny zava-misy dia tsy mbola tapaka akory ny volavola horaisina dia ny fanontaniana no ialana olana aloha. Mbola mafana ny adi-hevitra any ambony any ka mahamenatra angamba ny milaza hoe tena mbola tsy tapaka ilay volavola haroso. Ny fotoana anefa ity efa tapaka. Dia mitohy indray ny hoe « Amin’ny manaraka ny andinindininy ». Fa enga anie mba hivoaka amin’ny gazety rehetra rahampitso ny antsipiriany fa raha tsy izany dia tsy nisy tapaka tokoa ny amin’ny volavola tian-karoso. Raha izao aloha no mitohy mety ho fialana bala amin’ny manaraka ny fanemoram-potoana indray ny andro hanaovana ny referandaoma e !

Aucun commentaire: