23.2.07

Hodinihina amin’ny Filankevitra

Araka ny ambara ombieny ombieny dia natolotry ny komity nantsoina manokana hikarakara ny rijan-teny asiam-panitsiana amin’ny lalam-panorenana omaly ny volavolan-kevitra tapaky ry zareo. Raha ny marina dia natsipiny tany amin’ny filan-kevitra ny fanapahana ny amin’ny antenimieran-doholona. Amin’ny volavola roa dia efa karazany foana ny faritany mizaka tena ka ny faritra indray no mipetraka. Efa nisy hafetsena hialana amin’ny andraikitra nanafoanana ny antenimeran-doholona aloha tao amin-dry zareo. Io volavola roa natolotra io no tsy mba nolazaina tamin’ny haino aman-jery omaly. Gazety androany vao nahitana io fanamarihana io.

Na dia nametraka izay volavola roa izay aza ny komity, tsy midika izany fa ireo roa ireo avy hatrany koa no atolotry ny filankevitra hotapahin’ny vahoaka. Na izany aza dia niverina tahaka ny hotanterahina ve ny soso-kevitra napetraky ny filoha Ratsiraka tamin’ny fotoana nametrahana ny Lalam-panorenan’ny repoblika fahatelo ny amin’ny tokony hametrahana volavola roa (maninona moa na telo koa aza ?) hisafidianan’ny vahoaka ? Efa nieritreritra io manko aho ary efa saiky hanoratra teto aza nefa moa dia ny an’ny komity mpamolavola no tonga dia efa nataony toy izany. Voamarika aloha fa ataoko hoe nohenoina ihany ny soso-kevitro ny amin’ny tsy tokony hampidirana ao anaty lalam-panorenana ny rafitra fokonolona. Tsy mbola nahita ny andinindininy nasiam-panovana moa aho fa tsy afaka matoky loatra ny amin’izany. Ny filankevitry ny minisitra rahateo no tompon’ny teny farany.

Ny Fokonolona

Tao amin’ny gazety « Le Quotidien » sy « Les nouvelles » indray no nahitana fa tonga dia apetraka ny rafitra fokonolona, izany hoe tsy mandalo fitsapa-kevi-bahoaka indray ny amin’io. Tonga izany dia mizaka rafitra fokonolona ny Malagasy. Efa nolaniana tamin’ny filankevitry ny minisitra ny fandaminana vaovao mikasika io rafitra ahankina amin’ny minisitera eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny fanapariaham-pahefana io. Izany hoe tsy ny minisiteran’ny atitany intsony no misahana ny fokontany ao amin’ny fandaminana vaovao. Fantatrareo mpamaky ihany anefa ny fanoherako io rafitra apetraka io.

Tao amin’ny gazety « midi madagasikara » indray no nahitana sy nilazana fa sady tsy ao anatin’ny lalam-panorenana no tsy ao anatin’ny MAP io rafitra io nefa dia efa apetraka moa izany. Tsy fantatra intsony na ny MAP no tsara arindra amin’ny fokonolona na ny fokonolona no tsara arindra amin’ny MAP. Sahala amin’ny hoe mbola anaty fanandramana indray ny hampiasana ny fokontany. Ny gazety moa mametraka hoe ny sefom-pokonolona no mampiseho ny fahaizany ao anatin’ny enim-bolana…nefa heveriko fa mifandrindra amin’izany ihany koa ny hijerena ao anatin’izay vanim-potoana izany ny fahombiazan’ny fokonolona amin’ny fanantanterahana ny MAP.

Aucun commentaire: