7.2.07

Fokontany hono e!

Marihiko eto fa hafa ny lahatsoratra avoakako anio ao amin’ny Ita Jentilisa.

Tahaka ny mampahatsiahy ny andron’ny revolisiona sy ny tohiny indray ny fahenoana izao teny izao : izay tsy manatrika ny fivoriamben’ny fokonolona dia saziana handoa « dina », tany amin’ny faritra maro aza moa dia tsy manaiky ny hanao ny taratasy mihitsy ry zareo ao amin’ny fokontany raha mila taratasy ara-panjakana ianao.

Etsy ankilany indray dradradradraina fa amin’izao fotoana izao dia « hofidian’ny fokonolona » ny sefom-pokontany. Mampihomehy ny fomba fifidianana azy na dia izany aza. Tena tsy mifanaraka amin’ny demokrasia. Nahoana angaha hoy ianao ? Rehefa mifidy ny fokonolona dia ireo dimy voalohany no atolotra any amin’ny Lehiben’ny distrika (fa inona koa moa no mahasamihafa ny distrika amin’ny fivondronana ? tsy naleo ve tamin’ny teny malagasy ihany ?). Avy eo miresaka any ny lehiben’ny distrika sy ny Ben’ny tanàna ka dia ny Ben’ny tanàna no manolotra ny ho sefom-pokontany. Inona moa no efa nitranga ? Ilay olona tafiditra laharana fahaefatra no notendren’ny Ben’ny tanàna tany amin’ny faritra iray tato amin’ny faritra Analamanga. Izay no lalàna nipetraka (jereo ity didy fampiharana laharana 2004/299 nivoaka avy tao amin’ny minisiteran’ny atitany tamin’ny 3 mars 2004 ity)…lalàna tsy mifanaraka amin’ny rariny. Dia tenenina avy eo fa io no misolo tena ny fokonolona manontolo.

Re tamin’ny kabarin’ny filoha tamin’ny fivoriam-pokonolona taratra tao Iavoloha fa hatao endrika mitovy ny biraom-pokontany manerana an’i Madagasikara izay miisa 17500 eo ho eo. Fitadiavana tsena hanaovan-javatra sy ahazoam-bola sa fampilazana amin’ny sasany fa azony bodoina amin’izay ny birao efa vita ankehitriny ? mampahatsiahy ny 20 000 trano isan-taona faharevolisiona ity zavatra ity fa ny tena henjana dia vitaina ao anatin’ny iray volana ny an-tanan-dehibe ary ao anatin’ny telo volana kosa ny any ambanivohitra. Asa ! trano vita kitoatoa indray ve ny mivoaka avy amin’izany sa endrika hanao ahoana indray. Mahafinaritra ny fandraisana andraikitra tahaka izany saingy tsy Analakely akory izy ity ka mora arahi-maso avokoa ny fahavitan’ny asa. Mbola sarotra ihany ny manara-maso ny asa any ambanivohitra be any. Ny eto Madagasikara rahateo efa malaza amin’ny fanaovana tatitra amin’ny asa tsy vita.

Re tao amin’ny kabary ihany koa fa voan’ny dina izay tsy manatrika fivoriam-bem-pokonolona amin’ny andro sy ora voatondro. Dia iny ary fa mampivory, hono, ilay sefom-pokontany tsy tafiditra laharana voalohany tamin’ny safidy. Inona no hitranga ? Mino aho fa matoa natao toy izao ny fifidianana ny sefom-pokontany dia hampiharana amin’ny fomba haingana kokoa ny « teny midina hifampifehezana » efa nahazatra taloha. Inona moa no hain’ny olona afa-tsy ny fananganan-tanana ? Any amin’ny Antenimiera aza misy ny tahaka izany fa maika fa any amin’ny sarambabem-bahoaka ? Saingy raha tsy ilay nolaniam-bahoaka kosa ny eo dia sarotra ny hahatafita ny hafatra naidina. Rehefa sendra izay olana izay dia miverina indray ny teny hoe « mpanoha-riana ». Heverina fa ny « safidim-bahoaka » ilay « riana » ary izay manohitra ny lalan’ny « safidim-bahoaka » dia « mpanoha-riana ».

Manaraka izany ihany koa dia mbola tsy rariny sady tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony ny fanasaziana ny olona tsy mamonjy ny fivoriambem-pokonolona. Efa notsiahiviko ihany fa ny mpanampy matetika no alefa amin’ireny aty andrenivohitra. Olona tsy tompon’andraikitra izany amin’ny ankapobeny no mety hanapa-kevitra ao. Andeha modyatao hoe tsy mpanampy fa matetika dia olona irahina hatrany no mandeha amin’ireny. Ilay androhanaovana fivoriana ihany koa dia tsy miraharaha ny asa aman-draharahan’izay miasa amin’io andro io. Tsy fialana na fijanonana amin’ny asa mihitsy ny hoe hamonjy fivoriam-pokonolona nefa dia saziana rehefa tsy tonga. Tsy omena taratasy raha mba mila izany. Ny mahagaga manko dia izao. Ny inona moa no tokony ho ambony kokoa ny fifidianana misy eto amin’ny firenena sa ny fivoriambem-pokonolona ? Nahoana no tsy misy sazy omena izay tsy mifidy fa nahoana kosa no saziana (vola matetika) izay tsy mivory ?

Fitaka ilay rafitra tian-kajoro !

Any ivelany sy nandritra ny fampielezan-kevitra ny vontoatin’ny Map no aderadera isaky ny vaza-montotra. Ankehitriny ny fokontany indray no arangaranga etsy sy eroa. Karazana fitaka ihany satria tsy nambara mihitsy izany nandritra ny fampielezan-kevitra. Andeha atao hoe nankasitraka ny Madagasikara Am-Perinasa aho. Tsy ankasitrahako anefa ny fametrahana ity fokontany ity indray. Moa tsy mahatsiaro ho voafitaka ve aho amin’izay fotoana izay ? Ilay rafitra fahazoam-bola ho an’ny fokontany moa hatramin’izao mbola tsy misy tokontaniny. Raha sanatria ary tsy nahomby ny zavatra nokasaina iza na inona no omentsiny ? Ny Map sa ny rafitra fokonolona ? tsy ny zavatra sahala amin’izany indrindra ve no nampandamoka ny revolisiona sy ny fokontany ? Noheverina ho samy tompon’andraikitra ny olona ao amin’ny fokontany tamin’ny fampiroboroboana revolisiona. Kanjo inona no nitranga ? samy tsy tompon’andraikitra ary lasa any amin’ny varo-maizina ny fitantanana ny zavatra ilaina andavanandro tahaka ny vary, ny menaka, ny siramamy eny hatramin’ny savony aza !!!

Fehiny : mbola tsy ao anatin’ny maro loatra ny toetra mandray andraikitra eo nivon’ny firenena ary mbola ny manarak’efa no tena betsaka. Noho izany, rafitra diso sy hazo boboka ny mametraka ny fokonolona ho fototry ny famitana ny Madagasikara Am-Perinasa amin’izao vanim-potoana izao. Hevitro izany indrindra amin’izao ankatoky ny fanitsiana indray ny lalam-panorenana izao. Tsy maintsy miteny ny mpitily rehefa mahita ny loza mitatao. Mbola maro ny tian-kolazaina fa hatreo ihany aloha !

Aucun commentaire: