22.2.07

Fivoriam-pokonolona !

Araka ny efa nolazaiko ao amin’ny Ita jentilisa moa dia nitsingerina anio indrindra ny nitorahako blaogy voalohany teto amin’ity kianja fanehoan-kevitra ity. Nampiova zavatra be dia be tokoa ny natao tetoana na dia ny fanovana fahazarana fotsiny ihany aza. Tsy nisy andro izay tsy nieritreretana izay atolotra anareo mpamaky…na dia noho ny fitiavan-kanoratra fotsiny ihany aza. Raha ny tokony ho izy dia mba nikaroka izay zavatra tsara tsara asongadina ny tanjona voalohany teto. Fantatro fa nivadika tanteraka izany nanomboka tamin’ity taona ity noho ny fahanginan’ireo mpanohitra amin’izao fotoana izao sy noho ny foto-kevitra manokana. Tsy afaka ny handainga amin’ny saiko sy ny foko kosa aho fa aleo mivolana imaso. Ny volana imaso manko tsy mba kilema hoy ny fitenenana izay.

Raha nandeha hiasa aho omaly atondro dia voasariky ny filazana fivoriam-be hataon’ny fokontany eto amin’ny tanàna. Ny andro hanatanterahana izany dia amin’ny alahady 4 mars ho avy izao, izany hoe amin’ny fihaonan’i As Adema sy Tout Puissant Mazembe indrindra. Efa tsy afa-mijery aho ny baolina sabotysy aho noho ny asa dia tsy ho afa-mijery koa ve ny alahady ? Soa ihany fa tsy manana fiara aho ka hoe tsy maintsy tonga fa izay tsy mivory amin’io dia mety tsy hahazo toerana iantsonana ao amin’ny Parking intsony ny fiarany. Dia tsy te-hilaza zavatra betsaka aho fa manahy indrindra hoe mety ho amin’ny alahady 25 marsa indray ny fivoriam-be tsy azon’ny rehetra ialana amin’ny manaraka satria resaka fifidianana ny hatao amin’io, fifidianana izay ho mpikambana amin’ny biraom-pifidianana. Nefa dia amin’io andro io indrindra no hanatanterahana ny fihaonan’i Madagasikara sy Cote d’Ivoire. Amin’io fotoana io indray raha sanatria tokoa dia tsy hahazo taratasy avy amin’ny fokontany kosa indray izay rehetra tsy mivory. Dia inona no hatao : hijery baolina sa hamonjy fivoriana ? Aza hitako anie ka izany no ataony satria ho sahiny mihitsy ny hanao toy izany.

Aucun commentaire: