3.2.07

Fiheverana hafa

Nalaza teto amin’ny tanàna ilay arabo malaza nisy namono tany amin’ny faritry Sakaraha. Mohammed Jamal Khalifa araka ny anarany. Ny tena nampalaza azy tsy noho izy mpitrandraka vatosoa eto Madagasikara ka manampy ny harenany eto Madagasikara loatra fa noho ny fifandraisany amin’ilay mpihaika ny amerikana Ussama Ben Laden indrindra. Toa mpianaotra ry zalahy ireo hoe sady efa mpinamana tsy nifankafoy talohan’izany.

Notaterin’ny mpanao gazety ary fa olona efatra no notazonina tany amin’ny toerana tsy fantatra hatramin’izao. Ny roa amin’ireo olona ireo dia tsy mahay teny malagasy mihitsy. Marihina dieny ety amboalohany aloha fa tsy hoe ahiahiana sahady ireo olona ireo fa ho fiarovana azy indrindra indrindra no antony.Moa koa ve misy afaka miteny hoe mahay teny Malagasy ranamana nisy namono io ? Efa nanamarika ihany aho hoe tena haingana mihitsy ny fampitam-baovao momba an-dranamana ity ary ny nampiaiky dia ny fielezany tany ivelany haingana ihany koa.

Araka ny tatitra ihany koa no nahafantarana fa nisy vehivavy malagasy niara-natory taminy nandritra ny fotoana nanafihana azy. Voalaza moa fa tsy voakitika ary ny naratra mihitsy ravehivavy io tao anatin’ny fanafihana. Maro sahady ny zavatra azo ambara hatreto.

Raha nanontany ny namako manaraka ny fivavahana Islamo (Sonita) iray aho dia niteny avy hatrany izy fa voalohany misy tsy mazava ny nanafihana azy. Efa nisy fikendrena tao araka ny eritreriny. Ny alehan’ny sainy main’izany dia fironana ara-pivavahana kokoa fa tsy misy idirany amin’ny hareny loatra. Raha nilaza taminy ny amin’ireo olona « notazonina » aho dia niteny avy hatrany izy fa fanasoketana izany ataon’ny gazety (Taratra omaly Zoma)izany. Nanakaiky ny tena marina izy raha ny fanamarihana navoakan’ny gazety androany no dinihina. Eo amin’ny lafiny iray indray dia miahiahy sampam-panjakana miafina izy ho ao ambadik’iny fanafihana iny. Tsy te-hanondro mivantana izy fa ny andehanan’ny saina indrindra dia vahiny ary tsy misy tsy mahalala angamba hoe amerikana izany.

Ny zavatra tsikaritro avy amin’ny resany dia ny karazana firaisan’aina sahady eo amin’ny samy mpino Islamo na dia samihafa firenena aza ry zareo. Ny gazety dia nilaza fa tezitra ny fianakaviany sy ny namany nahare ity toe-javatra ity. Ny hany tsy voalaza dia tezitra any anaty ihany koa fa tsy tena taratra ny fiaraha-monina Islamo eto an-toerana aloha. Mampihevitra azy ireo ho misy ambadika politika sahady izao toe-javatra izao. Ny mety tsy ho tsapa ety amboalohany dia ny fironana mampatahotra alehan-dry zareo hiditra tsikelikely amin’ny lojikan’ny herisetra amin’ny alalan’ny ady masina hanafika ny tombotsoa sy sehatr’asa amerikana eto an-toerana.
Fa misy ihany koa ny tsikaritra saingy mbola tsy be hieritreritra loatra : ny fanambarana ofisialy hatramin’izao. Marina fa izay no ambara ampahibemaso saingy matetika moa ireny no tsy inoan’ny mpanara-baovao loatra fa mitady fanazavana hafa kokoa izy ireo. Efa tena malaza any amin’iny faritra iny tokoa anie ny dahalo e ! ary mahay manangom-baovao ihany koa ry zareo. Vola no tadiaviny ka ametrahany ny olony any amin’ny sehatra fampideran-karena sy fanalana azy araka ny fitenenana. Iray amin’izany ny sehatry ny fivarotan-tena. Eo ihany koa ny mpiasa tsotra sy irakiraka amin’ireny efi-trano fandraisam-bahiny sy fihinanan-kanina ary fandihizana ireny.

Ny hafa ankoatra izay voalaza izay dia mety ho fahasarotam-piaro na fanehoan-kerin’ny hafa ihany koa. Mampalaza an’Ilakaka amin’izao fotoana izao manko ny halatra sy ny famonoan’olona. Betsaka ihany ireo olona vaovao miditra amin’ny tanàna mitondra sipa no misy miteny avy hatrany ny hodiany raha tsy te-ho fatifaty foana fa vitan-dry zalahy efa mipetraka any ny maka ny sipan’ny hafa amin’ny alalan’ny famonoana ilay miaraka amin-dravehivavy. Ary ravehivavy koa etsy andaniny dia efa takalon’aina tsy fidiny fa sahiny ajedaka ihany koa raha mitady ny handositra eo. Marina fa efa mpakany an-toerana ranamana nefa na dia izany aza ny fialonana tsy fantatra hoe hatraiza ny heriny eo amin’ireo manodidina azy any.

Aucun commentaire: