25.1.07

Rafitra lany andro ny fokonolona

Niteny aho omaly fa tsy namoaka vaovao atoandro ny mbs omaly atoandro. Gaga aho ny alina fa toa fandaharana miverimberina no hitako. Vita ny vaovao dia resaka momba ny zazakely no nandeha. Vita izay dia nisy horonantsarimetsika nampihomehy iray izay. Vao vita io horonantsarimihetsika io dia niverina indray ilay fandaharana momba ny zazakely vao nolazaiko teo. Ahoana ary ity fandaharana miverimberina ity ? hoy aho anakampo. Hay moa ka niatrikasa ry zareo omaly tontolon’ny andro. Teny amin’ny serana Tangaina no nanaovany izany atrikasa izany. Ny vondrona Mbs manontolo mihitsy moa no niatrikasa tamin’izany. Tao amin’ny gazety ny vaovaontsika nivoaka androany no nahitako izany vaovao izany. Ny tsikaritra tao amin’ny filazana dia naharihary tao ny maha an’ny Mbs ny radio fahazavana izay noheverina ho radio fjkm. Amin’izay fotoana izay dia tokony tsy ho radio fjkm intsony ny radio fahazavana mba tsy ho voagejan’ny safidin’olo-tokana. Na farafaharatsiny tsy tokony hotononina ho radion’ny fjkm io radio io na dia hampanjaka ny hiram-piderana sy fandaharana evanjelika isan-karazany aza.

Fa hitodika amin’ny adi-hevitra tiako aposaka aho amin’izao fikasana hamerenana « amin’ny toerany » ny rafitra fokonolona izao. Tao amin’ny gazety voalazako ery ambony io ihany no tiako idirana. Ao amin’ny pejy fahatelo misy ny lahatsoratra nosoratan’i Rivonala Razafison mamaritra fa ny fokonolona ihany no fokontany. Nosoratany ary fa ny rafitra fokonolona no nahafahan’Andrianampoinimerina nitondra fandrosoana lehibe teto Madagasikara tamin’ny taonjato faha-18. Ny asam-pokonolona no nahafahana nihady ny lakan-dranon’Andriantany sy nanajary ny lemaky Betsimitatatra. Io rafitra io ihany koa araka ny filazany no nametrahana ny rafitry ny tsena ka nampisy fidiram-bola be teo amin’ny fanjaknaa tamin’izany fotoana izany. Nangina teo izany rehefa tonga ny fanjanahantany ka nangina teo ny fampandrosoana nianga mivantana avy tamin’ny vahoaka. Nolazainy ihany koa fa noho io rafitra io saiky haverin’ny Kolonely Ratsimandrava hovelomina indray no nahafaty azy. Ary mety noho io ihany koa no saiky nampisy ny fikasana hifofo ny ain’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoam-pitsarana nanaovana fianianana teo sy ilay fikasan-dratsy hanapahana ny jiro avy tany Andekaleka. Nolazainy aza fa noho ny rafitra niainga tamin’ny Kaominina teo no mety nahasavoan-danitra ny fampandrosoana teo. Voafintina tahaka izay ny filazany.

Andeha ekena ny fahamarinan’ny filazana fa raha tsy ny asam-pokonolona tsy voajary iny lemaky Betsimitatatra iny. Avy amin’izay fanajariana izay ihany koa no nahatonga ny anaram-paritra teny avaratr’Antananarivo ankehitriny hoe « Laniera ». Lanieran’ny be sy ny maro tamin’izany fotoana izany fa atsahatra ilay fanajariana tany amin’io faritra io satria tsy zakan’ny herintsandry nitambatra ny nanajary azy. Io laniera tsy vita io no notohizan’ny filoha Ratsiraka ary rehefa vitany dia nireherehany mihitsy tamin’ny andron’ny revolisiona. Eo aloha izany voalohany indrindra dia efa napetraka ho dokambarotra politika ny teny Laniera nefa toa mametraka ankolaka ihany koa fa misy fetrany sahady io lazaina fa rafitra io…afa-tsy raha hoe ifaneken’ny rehetra ny hanao zavatra na hanajanona zavatra. Tsarovy ihany koa anefa fa izay tsy nanaiky hanao zavatra, ohatra ny famonjena ny fefiloha vaky, tamin’izany fotoana izany dia miafara tamin’ny fanapahan-doha (famonoana moa no tena marina) tsy misy antra mihitsy. Marina fa nisy fiaraha-nanapa-kevitra niraisana teo fa efa tsy amin’izao vanim-potoana izao intsony no hanamparana ny didin’ny maro an’isa. Avy amin’io fiaraha-nanapa-kevitra io ihany koa no nipoiran’ny teny hoe « mpanoha-riana » satria nanohitra ny hevitry ny be sy ny maro ary niteraka ny teny hoe fahavalom-bahoaka ihany koa. Tahaka ny hoe tsy mahazo maneho hevitra izany izay manana hevitra tsy mitovy amin’ny be sy ny maro. Eo dia efa tsara dinihina hoe mbola tsara averina tokoa ve ny rafitra fokonolona ? ary raha averina dia hatraiza no hamerenana azy. Haverina indray ve izany ny asam-pokonolona nampandroso tamin’ny taonjato faha-18 nefa isika ity efa taonjato faha-21 ?

Na ny tantara maoderina aza dia nahitana fa niteraka mpangoron-karena kely be dia be ny famatsiana natao teny amin’ny fokontany. Nanjaka ny hala-danja sy ny hala-patra…ary niroborobo tsy nisy toa azy ny varo-maizina tamin’izany fotoana izany. Izay komitim-pokontany dia lasa mpanankarena vetivety. Ny rafitra fokonolona tian-kajoro angamba dia rafitra tokony hahaleo tena ara-toe-karena isaky ny faritra misy azy. Izay rahateo no efa nolazaiko ny momba vatoeka tao amin’ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Ratsimandrava-bis. Mandraka ankehitriny dia toa fangatahan-javatra no tena ifotoran’ny fametrahana ilay rafitra. Hampita ny olana mivantana any amin’ny prezidansa, hoy ny filoha. Rehefa miresaka olana dia sarotra ny hidify ny resaka vola sy ny tsy fahampiana eo am-pelantanana. Dia ho volabe mikararana indray no holaniana nefa toa mihamavesatra ilay rafitra eo ankilan’izay. Sady mavesatra no ho maisatra. Mila fitadiavam-bola indray hanodinana ny rafitra « vaovao ». Hetra inona indray no hoforonina sa afindra toerana ? Raha fintiniko izay voalaza teo dia ho fitadiavam-bolan’ny sasany indray io rafitra fokonolona io fa ahiana tsy hisy fampandrosoana ho vanona akory !

Aucun commentaire: