30.1.07

Ny lalànan'ny fahaizana

Omaly no notontosaina ny filankevitry ny minisitra voalohany niarahana tamin’ny Jeneraly Rabemananjara ho praiminisitra. Fantatra moa fa “vaovao” avokoa ireo mpikambana ao amin’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Tsy maintsy misy ihany ny fifandimbiasan-toerana, ny fanendrena olona vaovao hisahana andraikitra ambony any anivon’ny departemanta tsirairay any. Tapaka ary fa voatendry ny governora vaovao hitana ny Banky foiben’I Madagasikara. Efa hisotro ronono angaha I Shaolin ka dia tendrena ny olona handimby azy. Noho ilay anarana tsy tadidy no sady tsy fantatra rahateo ny andraikitra nosahaniny teo aloha dia tsara kokoa ny hanonona anarana amimpisalasalana: Ranarison Frédéric no tadidy nefa mety ho diso io anarana io, ny fanampin’anarana kosa aloha marina na dia izany aza.

Ankoatra izay dia tapaka fa atao tolotr’asa avokoa ny fitadiavana ny toeran’ny sekretera Jeneraly sy ireo asa tena ambony hafa isaky ny departemanta rehetra. Tsy ho masontsivana na oviana na oviana ny fihaviana na finoana fa ny fahaizana irery ihany. Izany hoe tsy hiditra mihitsy ny politika amin’ny fanendrena avy amin’ny filankevitry ny minisitra na governemanta. Ho zakan’ny mpanao politika ve izany fanapahan-kevitra izany? Sa miafina ao ambadika ihany ny loko politikan’ny tsirairay?

Ankoatra izay dia nisy tokoa ny olona nantsoina ho minisitra saingy nandà hatramin’ny farany ny hiantsoana azy. Nanontaniana ny antony handavany ny fiantsoana. Tsy nanontanian’ny mpanao gazety fa nanotanian’ny mpiara-miasa aminy ihany ka novaliany hoe tsy misy toerana mitsingilahila tahaka ny toerana mahaminisitra. Mety ho iray volana ihany dia mitsingidina nefa mety hiantraika betsaka amin’ny toe-tsaina izany. Raha azo atao dia aleo tsy manao minisitra mihitsy. Ny tranga sahala amin’izany no mety ho nanahirana ny mpiantso ka mety nahatonga ny fanapahan-kevitra hoe karazana tolotr’asa indray no atao manomboka izao. Izany hoe ireo antsoina tsy mety moa ny miandry antsoina tsy azoazo loatra. Mety ho fomba ihany koa anefa hialana olana ilay tolotr’asa raha toa ka fantatry ny maro ohatra fa avy amin’ny fanoherana io olona noraisina hitana andrikitra lehibe io.
Fanampiny: rehefa nahita ny anarana Frederic Rasamoely tao amin'ny midi izay senatera avy amin'ny vondrona tim aho dia mieritreritra fa mety ho izy io indrindra ilay lasa governora vaovao. Anarana fohy manko no tadidiko dia ny fanampin'anarana. Na izany aza ny gazety rahampitso no manamarina na mandiso izay lazaiko.

Aucun commentaire: