16.5.06

Ilay revy Japoney!

Somary hisintaka kely any amin'ny tanin'ny Masoandro miposaka any isika anio na dia mbola mafana dia mafana aza ny rivotra politika eto Madagasikara. Tsy natao hanempotra manko ny raharaha eto na dia fantatra aza fa any amin'ny faramparan'ny taona any vao tena hafana izy io. Andeha atao hoe haka rivotra kely isika. Rivotry ny revy ihany koa anefa! mbola vinavina manko ilay izy fa tsy mbola tena hita maso. Vinavina tsy mba kely sy ho an'ny tsy manambola na dia izany aza fa ho an'ireo izay mahasahy manonofy hahavita zavatra hahagaga an'izao tontolo izao sy mety hampiova ihany koa ny firafitry ny trano sy ny tanàna mihitsy aza amin'izao fiandohan'ny taonarivo fahatelo izao.

Isika rehetra izay naharaka na dia kely ihany aza amin'ny tantara na eto an-toerana na any ivelany dia mahatsapa tsara ny lanjan'i Japana eo amin'ny toe-karena. Noheverina ho vao taonjato roa izay no nivoarany...indrindra taorian'ny fivoarana haingana Meiji...saingy efa firenena mandroso sy ikoizana hatrany izy. Nampianarina fahakely fa hala-tahaka no tena nivoarany haingana dia haingana tokoa saingy efa mamorona izy amin'izao fotoana izao. Ny haben'ny tany iainan'ny Japoney dia kely loatra raha miohatra amin'ny isan'ny mponina saingy mbola velona ihany ry zareo. Io fahateren'ny tany io mihitsy moa no nahatonga azy ireo haka tany betsaka araka izay azony nataony ary ny nosy maro isan-karazany no tena nokendreny saingy nilavo lefona moa ry zareo rehefa nanjeran'ny Amerikana Baomba atomika tamin'ny taona 1945. Nionona tamin'ny tany teo aminy izy sisa. Tany kely sy mikitoatoana, be horohorontany, mbola misy volokano velona.
Raha amin'ny finoan'ny olona dia tahaka ny hoe voaozona amin'ny samy olona koa ry zareo. Fa izany ve no ao an-tsain'izy ireo? Tsy nikely soroka ry zareo ary tsy niraviravy tanana ihany koa. Efa manana ny teknikam-panorenan-trano afa-mijoro na dia eo aza ny horohoron-tany sy ny rivo-doza ary ny fanojan-drano (tsunami) manafotra tany tampoka. Raha nahay tantara tokoa dia efa nandre fa ainga nampijoro ny VVS (vy, vato, sakelika) tamin'ny fanjanahan-tany ny lahatsoratra mitohy nitondra ny lohateny hoe " Japana sy ny Japoney" izay nivoaka tao amin'ny gazety-boky "ny Mpanolo-tsaina" taona 1913 naharendrika an'i Titanic.
Zato taona latsaka taorian'izany lahatsoratra izany mbola mampilendalenda hatrany ny fandrosoany ny Japoney. Tsy hala-tahaka intsony fa famoronana vaovao. Voalohany, manorina tanàna ambony ranomasina. Eo amin'ny helo-dranon'i Tokyo izany no kasaina. Reharehan'ny Amerikana tavaratra sy ny Eoropeana tandrefana ny fananana sambo be mpitondra fiaramanidina afa-miriaria an-dranomasina. Ny azy kosa tanàna mihitsy no kasaina hihevaheva ambony ranomasina. Nahavariana ny maro izay nitsidika tany Egypte ny pyramide fasan'ireo mpanjaka nitondra tany tamin'ny androny, ny Japoney kosa hanorina trano-tanàna vaventy in-55 tahaka ny haben'i "pyramide de Kheops". Izany hoe raha heverina dia mihoatra ny iray kilometatra ny halavany (sy ny sakany mitovy ihany) ary tahaka izany ihany koa ny hahavony. Megapyramide no anaran'izany trano-tanàna izany. Mba nanao fikarohana tamin'ny aingam-pikarohana eto amin'ny aterineto ihany aho fa tsy nahita na tamin'ny teny frantsay na tamin'ny teny anglisy momba azy fa dia tamin'ny teny alemana ihany. Mba ny teny malagasy izany no miteny azy fahatelo aorian'ny teny japoney (teny tsy haiko)sy ny teny alemana(teny tsy haiko) raha ny fiheverako azy aloha hatramin'izao.
Fa ataony inona koa izany trano-tanàna izany? araka ny efa voasoratra teo ihany dia tery ny tany any amin-dry zareo. Lasa lafo dia lafo ny vidin-tany any. Ambony ranomasina sisa mazava ho azy no vaha-olana akaiky indrindra ho famahana olana raha mbola tsy takatra ny hanorina tanàna any an'habakabaka. Trano-tanàna tsy natao honenana loatra ilay izy fa natao hametrahana ny tsena, ny birao ary ny karazan'asa rehetra hatramin'ny fanofanana ka hatramin'ny fitsaboana. Saingy tanàna voalohany tsy hisy fiarakodia mifamezivezy ihany koa. Ny fiaran-dalamby sy ny karipetra misosa hijoroan'ny olona ihany no ifamoivoizana ao.
Fa izao ihany koa, ao amin'io trano-tanàna io ihany koa no hisy izany tranoavo mihantona izany (toy ny ramanavy mihantona ka any ambony indray no fototra). Tsy azo tanterahina ve hoy ianao? Haika ho azy izany. Raha mijery ny sary iray isika dia hahita toy ny tsivalam-by mifanohinohy. Eny amin'ny fihaonan'ireny tsivalam-by ireny no misy boribory natao ho fototry ny tranoavo sasany ( fa tsy ny trano rehetra kosa tsy akory). Amin'ireny toy ny tsivalam-by ireny indray no ifamezivezena na lalam-pifamoivoizan'olona sy fiaran-dalam-by moa no marina kokoa. Tsy vy anefa no anorenana ny trano fa ny nanocarbone. Io manoratra amin'ny pensilihazo io izany ho an'izay tsy mahafantatra loatra izany nanocarbone izany. Maivana io nefa matanjaka noho ny vy voasedra, hoy ny manam-pahaizana manokana amin'izany taranja izany. Marihina kosa fa tsy mikatona fitaratra akory io tanàna io fa misokatra tsara kosa.
Mba aiza kosa ary ny herin'aratra hamelona azy ity ary ampy ho azy ve izay eo? efa noeritreretina fa ny lomotra, ny masoandro ary ny rivotra no hakana angovo hanazava azy sy hampandeha ny raharaha rehetra ao aminy. Efa mandros dia mandroso tokoa ny fahaizan'olombelona fa izay fahaizana efa fantatra rehetra dia heverina hampiasaina ao avokoa. Efa hanana fiarovana amin'ny horohorontany sy ny rivo-doza ary ny safo-drano io trano-tanàna io. Olana manakana ity tanàna natao hahazaka olona hatramin'ny 750 000 isan'andro hifamezivezy ao sisa dia raha sanatria misy ny fahamaizana ao anatin'ny trano. Mbola somary sarotsarotra ihany ny hahatafavoaka izany isan'olona izany ao anatin'ny fotoana fohy. Raha voavaha io dia mety hatombony amin'izay ny fanorenana azy. Isika amin'io mitsiriritra sisa atao fa tsy hahavita izany aloha.

Aucun commentaire: